Nofy tsy hay hadinoina (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...Fa alina nafampana...
Ary lamba nihisaka mora...
Toa mamelona fanantenana
Ilay bikany bakorakora
Dia zavatra tsy inona ihany
Fa toa zava-poana an-tany!
...Fa alina tsy fanadinoana
Ary nofy niantefa tsy satry
Atamberimberiny eo foana
Ilay endrika mahafatifaty
Kanefa dia mbola noana...
Izany foko?-tsy afa-tsaona...!
...Dia tsapako fa nofinofy
Zana-javatra tsara tarehy
Toa zary mpandrotsirotsy...
Ilay molony tsara fihomehy
Tsy nampoiziko mihintsy,eny,aky
Ny nofinofiko hiantefa amin-dry!
...Ny aliko toa efa ho tapitra
Ianao nefa tsy foiko sarahana
Ny nofinofiko mahafinaritra
Kanefa tsy maintsy tapahana...
Satria efa tamy ny andro maraina
Fiononan'ny fo aman-tsaina...!
Ny R.T.M
--------
Rohy:
1379 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
Nampiditra : sayyuk01
Daty : 25/12/2014 12:04
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143