Nolavina. (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba nitia ihany fa tsy notiavina
Ity izay mba naniry fatratra,indrisy nolavina!
Ilay mba tena tia,nitalaho impiry
Ka raha mba noraisiny,mba efa nitsiry...!
Ny fitiavana moa tsy hifanerena
Ka tsy afaka hankaiza rehefa tsy tiany!
Any sisa hery dia ny manantena...
Manantena any an-kafa sy ny ho mba ekeny!
Nolaviny androany,fa tsy tokony ho kivy
Moa va adinonao ny ampitso...?
Aza mitomany fa mahaiza misafidy...!
Misafidy ny tsara,fa sao mbola ho diso...!
...Dia rehefa mahita ny tena iriana
Tano tsara,fa sarotra ny mila...!
Hajao tsara izy,aza ampijaliana
Fa raha vototra eo,hisolo mpampifila...!
Koa hifikiro izay tsara hananana
Ivoadio ny mandra-maty mba hahatsapany...
Fa na dia maro aza anie,maniry hoatran'ny anana,
Ny vehivavy eto an-tany,
Dia izy irery ihany!
Ny R.T.M
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Fitiavana
955 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0157