Ny ahy (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ndeha hampitony ve sa hampitomany,
Irony nofy an'alina mangina?
Nony injao tafaverina an-tany,
Indrisy tsy anilan'ny tiana!
Ny ahy ka fitiavan'akany...
Raha sinaraka toa fijaliana!
Sembanan-drahona ve sa anatin'ny lalina...
Irony nofy somambisamby?
Raha maizina anatin'ny alina...
Raha safosafo dia tambitamby
Ny ahy ka fitia lavi-dalina...
Sady lalina no tsy mananamby!
Tafatolefika ve sa mivaroraka,
Irony fo sembana-nofy?
Raha lavo re aho aza manoraka
Raha miarina kosa tohofy...
Ny ahy tsy fitia misavoraka...
Tonga tiana vao hoe totofy!
Valabalaka ve sa ahoana,
Irony alina mangina ery?
Raha manina izaho aty foana,
Sady mikolo ny tena fitia...
Ny ahy ka fitia mandavan-taona,
Sy ho mandrakizay doria!
Ny R.T.M
--------
Rohy:
Sokajy : Nofy,fitiavana
1158 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143