Ny amiko. (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry lahy,
Fantatrao ve izaho?
Ny amiko sy ny tantarako?
Aza anontaniana,
fa saro-baliana!
Ny amiko ve?
Ny amiko eny,ny amiko anie,
Tsy inona tsy akory fa toa anao ihany!
Ilay nofo sy ra...hihintsana ho tany...
Ilay manam-pitiavana toa anao koa
Fa nolavina foana e,ka rotika ny fo!
Izaho ve?
-ilay mba nitia fa tsy notiavina
...Notiavina ihany fa nampilafilaina
Naninona aho re raha tonga dia nolavina
Fa tsy atao an'izany,avela hitaraina?
Izaho ve?
-ilay tsy dia mahita ambara firy...
Fa toa mitabataba anaty...
Na dia mijaly aza anie dia mbola hikiry
Sy vonona hitsabo...ny ratra ato anaty!
Izaho ve?
-Toa ravin-kazo,sara-taho
Marary...mijaly...fa nolavinao!
Olombelona ihany,fa toa voninkazo...
Maraina mamelana...hariva malazo...!
Ny RTM
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1401 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139