Ny olon-tiako (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny olon-tiako moa dia soa dia soa tokoa
Ny tsanganany tontolo,mirafitra tsara voatra
Manopy manga mantsy,ilay dobo manga roa...
O! Tsy mba foiko atakalo,fa mamiko,eny,loatra!

He! Tiana tsara voatra sy liam-pivoarana...
Ny endrika efa kanto,mainka hatsarainy koa...
Lokomena,etc...Rehefa mety ho fihoarana...
Tandremo kely lahy...! Fa ny tiako tena soa!

He! Tiana tsara loatra e! Mamelombelon'aina
Fa hakantoana maro...No ao mihalohalo... :
Ny toetra amam-panahy,fa koa ny toe-tsaina
O! Tena fakan-tahaka fa tsy mba mizahozaho!

Fa tiana tsy manary izay olon-tena tia
K'irony mpisodisody...Laviny avokoa!
Efa vita sonia,hono,fa aza mankaty
Tsy mba haza mora alaina...Ka manidy izany fo!

Ny olon-tiako mantsy dia soa dia soa tokoa
Ny anarany e,dia tsara ka sarotra hadinoina
Voninkazo izy izay,manjopiaka soa
Ka sarotra kosehina...fa dindo manoloana!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1308 0
Hevitra mandeha
sayyuk01 ( 09/08/2016 07:51)
Ok!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142