Raha ianao no toa ahy (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ianao no toa ahy dia inona no ataonao?
Ny amiko,eny mantsy,ravin-kazo tafasaraka aman-taho...
Tia nolavin-tiana ka indrisy!
Izay domohina itokiana?-toa tsy hisy!
Raha ianao no toa ahy dia hanao inona?
Ny fiainako,eny,anie efa tsinontsinona!
Tsy mba miramirana,fa oriory lava...
Toa tena vonton-kaizina,malok'ila ny mazava...!
Raha ianao no toa ahy dia mba hanao akory?
Ny anjarako,eny,anie efa voalahatra ho ory...
Ory foana foana,ka na inona antenaina
Ny fiononana foana no hampitrakana izato saina...!
Raha ianao no toa ahy,dia hamoy fo ve?
Asa!ianao ihany io,saingy mafy eny,anie,
Izany tia tsy mba tiavina,
Izany ory mba te hifaly,
Izany fo,indrisy e!nolavina,
Izany tena tsy afa-jaly!
Ny RTM
--------
Rohy:
1316 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138