Raha mba teo (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny,raha mba teo mantsy ianao androany,
Dia angamba ho foana ny sento sy tomany
Eny fa dia iray minitra monja
Ka afaka hampitony ity ovitry ny onja...!
Eh!tena mafy anie izany tsy anilanao
Mafy tena mafy,mampizioga ahy talaho
Ny tsangananao tontolo no ilaiko anilako eo
Nefa tsy maninona,na tsy hisy feo...!
Raha mba teo anilako mantsy ianao androany
Dia angamba hiova lanitra itony tany
Ny aminao tontolo,ny aminao rehetra
Ka hanolorako fitia...fitia tsy hisy fetra!
Eny,raha mba teo mantsy ianao,ianao mihintsy!
Saingy ny teo?indrisy re,tsy nisy!
Tsy tazako teo lay sarinao anoloan'ny sariko
Mba ho tahiry mandra-maty,ato anatin'ny diariko...!
Ny RTM(R.Tanjona Mandimbison)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1349 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142