Sambatra (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambatra aho ankehitriny fa nahay nionona ihany!
Nitraka ihany anie,ry lahy,na dia efa lavo tanteraka...
Ireo fijaliako fahiny,toy ny sento sy tomany
Nisinda avokoa,angamba mora reraka!
Sambatra koa aho anefa,fa nahay nanadino
Noezahiko nadinoina mihintsy,ilay salovan-tava iray...
Tsy tiako hotsaroana intsony,ary angamba aho mino
Fa ho adinoko tanteraka,tsy ho tsaroako rahatrizay...!
...Nandratra ahy loatra mantsy,iny endrika niserana...
Tena tiako tokoa,saingy indrisy anie,ry lahy!
Namilafila ahy loatra izy,sady koa noferana
Ka ny mionona no mety,f'efa tsy ho ahy!
...Fa raha ny fandrarana anie,eny,zakako ihany!
Fa raha ny filafila,tsy ho tantiko mihintsy
Saingy tena tia aho ve,dia atao tahak'izany?
Indrisy e!marary ho'aho!indrisy!
F'efa izany mihintsy ve ny toetranao rahavako?
Indrisy,eny mantsy,tsy ho mendrika ny fitiavako!
...Koa indro aho fa hionona doria
Eny,fa na dia hoe tena tia
Ka ny miembotra no tsara
Raha hiroso toa tsy anjara!
Fa ianao mamilafila,
Ny fitiavako voarara
Ianao tsy hay hoe mila?
Ka ny mionona no tsara!
Ny RTM
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1271 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138