Soraty (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy teny te-hitroatra,
Miovitra,mandroatra
Ao anatinao,
Ka mila tsy ho zakanao?
Teny te-hitanisa,
Ny hafatra an'isa
Izay tianao ampitaina
Am-piarahamonina, sombiniaina?
Teny te- hambabo
Ny fo tian-ko babon'
Ny fitiavanao,
Sy izay ho maminao?

...Koa ndeha soraty io teny io,
ndeha akambano dia rario!
Ka hampitombo indray ny kanto,
Ho arafitra anaty feon-kira milanto
Ho tonga haisoratra lafatra
Sy hitondra koa izay mety ho hafatra
Tianao ho ambara
Ary ho lova soa ho an'ireo
Dimby amam-para
Mba hisy ho ampiasainy,
Sy ianarany izay tsy hainy!
Hoentiny miaina,
Hoentiny misaina
...
Soraty
--------
Rohy:
1180 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171