Tahaka anao ihany (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tahaka anao ihany anie izaho
Vovoka ary mbola hody ho vovoka...
Izany tenako manahy,
Raha tojo hatsiaka aho mangovitra!
Natera-behivavy anie izaho
Ka mba nosorany menaka ihany
Saingy indrisy re,talaho...!
Izany fiainako eto an-tany
Mba tena tia ihany anie izaho
Kanefa toa lavina tsy satry
Rehefa injay mba mitalaho
Sy mivoady ny mandra-maty!
Tahaka anao ihany anie izaho
Mba te hanan-karena
Kinanjo re ry lahy,
Toa maty manantena!
Eny,tahaka anao ihany!
Mba te hahazo izay rehetra iriana
Saingy indrisy fa ny tany,
Vonto sento,fijaliana!
Eny,tahaka anao ihany!
Mba manana fanantenana...
Fa na dia mangatsiaka aza androany,
Any andro...,mbola hafana...!
Ny R.T.M
--------
Rohy:
Sokajy : Fahantrana - fiainana
969 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0233