Tokim-pitia (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy tovovavy iray mahagaga...
Toa babony avy hatrany ity foko kely
Izato hakantony e! Tsy ho lefy laza
Angamba fanaperana,anjely...!
...Koa indro izany fo fa hanantena
Fa raha mamboraka aminy eo dia ho ekena!
Ka ny faniriana avy ato anaty tsy ho laviny
Ka ny any mba irariana dia ny hotiaviny!
Koa tsy hitebiteby na hitaintaina
Satria toa efa mahatoky,mahatoky anao ry aina!
Mahatoky sady mino,f'ianao hiteny,
Ka raha mba sitrakao,valio hoe:"ENY"!
Fa raha izany no hisy
D'izao no tadidio:
Ambaraka anao anio,
Fa tsy kilalao anie ny fitia miboika ato anatiko
Koa n'inona hidona,n'inona hitranga dia ahy ianao mandrapahafatiko!
Satria fitia aina re no fetra
Ka foiko ho anao ny amiko rehetra!
Ary fitia efa tena matotra
Ary tsy mba hisy ahavaha fa efa tsara fatotra!

...Koa raiso re aho,raiso fa tena tia
Ary indro mbola hivoady,hivoady ny ho doria!
Foiko ho anao,ny fitia...!
Ny fitiavako rehetra
Foiko anao tsy hisy fepetra
Ny fitiavako tontolo
Foiko ho anao daholo
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2303 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137