Tovovavin'Iarivo. (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tovovavin'Iarivo no dia mampitamby,
Soa fa malomaloka...somambisamby...
Jerena ivelany toa fifaliana...
Raha hidirany anatiny toa fahoriana...!

Tovovavin'Iarivo no dia mampifila
Am-bava tsy mila...fa am-po taralila...
Manam-pitiavana fa mifidy saranga...
Laviny aloha raha tsy anatin'ny manga...!

Tovovavin'Iarivo no dia mampitapy!
Kanto anie izany,mahafatifaty!
Fa raha mba hangatahina izany fitiavany,
Mavomavo,hono,ny tena ka tsy tian'ny havany!

Tovovavin'Iarivo anie dia izao,
Indro eto anio,ampahafantariko anao
Raha mba torinao fitiavana vokatry ny fo,
D'izao no mitranga:hihomezany aloha...!

Tovovavin'Iarivo?-aza antenaina...!
Ny fitiavana anie,ataovy ao an-tsaina,
Efa mila saranga tsy toy ny omaly...
Koa ampionony ny fo,sao dia hijaly!

Tovovavin'Iarivo no dia tsara voatra...
Jereo izany haingony fa mambabo ahy loatra
Saingy ny fitiavany e!toa tsy mba ho azo
Aleo mioty an-kafa,fa sao lahy halazo...!

Tovovavin'Iarivo no dia mampitapy!
Lokomena midorehitra,mahafatifaty!
Midorehitra ivelany,fa somamby anatiny...
Toa maloka avy eo,ilay hafatifatiny!

Tovovavin'Iarivo no tsy mba ho ahy!
Nofinofy eny anie...nofim-panahy...
Mba hiara-dia aminy mandrakizay
Mbola sarotra izany e!ady mahamay!

Tovovavin'Iarivo?-Fitia maro loko...
Mamiko fatratra,fa tsy mba ho antsoiko!
Manao fitia varalila sy mora ongotana
Ka raha tafajabaka ao...sarotra avotana!

Tovovavin'Iarivo no dia mampivoady
Tovovavy tsara haingo?-Aza mitady!
Fa ny anjaran'ny ory dia mahantra ihany
Fa raha mpanefoefo,aza mankany!
RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1328 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143