Tsy haiko re (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny volonao no itiavako iny somamby iny...
Sa ny volonao no tiako dia ny somambisamby ihany?
Tsy haiko re fa ny saiko dia t@ iny alina iny...
Ka ny hatrao am-poko ao,toa somambisamby hatrany...!
Ny sofinao no itiavako kalo mangingina...
Sa ny sofinao no tiako dia ny hirahira hatrany?
Tsy haiko re fa ny vavako dia mihiakam-pijaliana
Ka ny hatrao am-poko ao,tomany sesilany...!
Ny masonao no itiavako kintana mamiratra
Sa ny masonao no tiako dia ny hijery anao foana?
Tsy haiko re fa ny foko dia manjombona fihiratra...
Mahita anao ihany,f'avy eo toa zava-poana...!
Ny oronao no itiavako fofo-manimanitra
Sa ny oronao no tiako dia hievonevona doria?
Tsy haiko re fa ny foko dia efa maty rangotra...
Ka toa tsy hila anao,o!tsy hitepon'ny fitia!
Ny molotrao no itiavako fivelaram-boninkazo
Sa ny molotrao no tiako dia toa raozy miredareda?
Tsy haiko re fa ny foko dia miforitra...malazo...!
Ka milofika maraina,toa mampievaeva...!
Ny nifinao no itiavako mihomehy
Sa ny nifinao no tiako dia ny hikakakaka tsy satry
Tsy haiko re fa ny foko toa voatomboka kase
Ka toa ianao ihany,ianao mandra-maty!
Satria tiako ianao,
na tsy tia ahy!
Ny RTM
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1276 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144