Voarara (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako loatra anie ianao,saingy indrisy re malala
Toa tsy fantany akory,izany fo raha tena tia
Raha sinaraka aminao,angamba ho lasa adala
Saingy indrisy,eny,mantsy,tsy avelany hankafy...!

Ambony loatra anie izy...ka tsy azoko valiana
Raha izaho ve no hamaly,inona moa izay izaho?
Avelao aho re hitia,an'ilay mba tena tiana!
Na dia feranao aza anie...izany foko mbola ho sahy!

Na sahy aza anefa dia an'inona,dia ho aiza?
Eny e!hitia mangina anao ihany,na dia tsy afaka mankaiza!
...Koa aza mba manadino,
fa any andro iray,
Izaho anie ka mino,
Ny hikambanantsika indray!

Koa hajao izany foko,
aza mba havahana...
Tano re mba tsy hiova loko...!
Ary aza mba fitahana!
Fa tsy hiantsy fisarahana aho akory
Saingy hionona fa voarara
Izany fitiavako re tsy hatory
Fa mbola hiandry anao hatrany,malala!

Ny RTM
--------
Rohy:
1245 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154