Voninkazo voarara (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Atolotro ho anao,ity ady rimako ity
Ianao,eny,mantsy,ilay voninkazo voarara...
Atolotro ho anao,ny fo izay tena tia
Atolotro ho anao,eny,na dia tsy ho anjara!
Tiako loatra anie ianao,saingy nofefena!
Izany akory tsy midika fa hietry ny fitiavako!
Na dia rarana aza aho,indro mbola hanantena
Ka hilofo hatramin'ny farany,hiady anao rahavako!
Ka ho zakaiko daholo izay mety ho donam-pifaliana
Na dia mafy aza anie iaretako hatrany!
Ka holanjaiko foana e!noho ianao tena tiana
Tsy ho kivy anie aho,na hampody aho ho tany!
...Fa iza anefa ianao no dia iaretako ny mafy?
Manontany anao ny foko,mba iza moa ianao?
Iaretako zava-maro sy izay mety hoe gafy
-Koa satria ianao no tiako,ka tsy hiala aminao!
Fa ny hitako aminao dia ny volana eny ambony
Satry foana hotakarina,saingy indrisy,eny,anefa
Moa ve,eny,ianao mba afaka hampitony
Ity foko mitalaho sy ny fitiavako miantefa?
...Ambarao re ry endrika iny fa reraka ny foko...
Moa ve mbola tia ahy ianao na dia rarana aza?
Lazao re,mba miangavy!f'aza avela hitoloko
Ity fo izay tena tia,fitia tena sahaza!
...Fa ianao anie amiko dia toy voninkazo ao an-jaridaina
Tiako sady iriako fatratra,saingy ao an-jaridainan'olona...
Mba iriako mafy hokoloina,fa mbola hampifezak'aina,
Ny hikitikitika anao...ka mampitambolombolona!
Ny RTM
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1737 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149