Voninkazon'ny nofy (RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao tamy izany alina
Dia mifaly sy mihomehy...
Miandrandra nofy lalina...
Ka hahita ilay tarehy!
Voninkazo tsara tefy
No mivelatra eo aloha...
Voninkazo mahatomefy,
Sy mahatretrika ny fo!
...Tazako ao ny hakantoana
Zara raha hitako an-tany
Voninkazon'ny finoana...
Ka dia voninkazo hatrany!
Voninkazo iray manaingo
Izany aliko milanto...
Manan'endrika mihaingo...
Ny lafatra ka kanto!
Ny R.T.M
--------
Rohy:
Sokajy : Nofy - Fitiavana
1521 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102