You are here: home > Vetso

Voninkazon'ny nofy - RAKOTOMALALA Tanjona Mandimbison

Azo vakiana?

Vao tamy izany alina
Dia mifaly sy mihomehy...
Miandrandra nofy lalina...
Ka hahita ilay tarehy!
Voninkazo tsara tefy
No mivelatra eo aloha...
Voninkazo mahatomefy,
Sy mahatretrika ny fo!
...Tazako ao ny hakantoana
Zara raha hitako an-tany
Voninkazon'ny finoana...
Ka dia voninkazo hatrany!
Voninkazo iray manaingo
Izany aliko milanto...
Manan'endrika mihaingo...
Ny lafatra ka kanto!
       Ny R.T.M

Sokajy : Fitiavana, Nofy

Hametraka hevitra

Midira aloha