HENOY ANGE… (Ora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HENOY ANGE…
Rankizy !!
Tsy dia hoe izy no tsy misy atao
Afa-tsy ny mitabataba aminao
Rehefa miteny
Fa henoy ihany ireny anatra omeny
Sao ho neninao
I Neny anie raha toa ka mampiakam-peo
Dia aleo hazava
Fa te hanalavitra anao ny toreo
Ka henoy lalandava
Mampahafantatra anao sahady
Ka henoy azafady
Milaza aminao izy
Fa ny fiainana tsy kilalao
Satriny ianao hahay hampirindra dieny izao
Ny ho avy any aoriana
Manefy anao izy hiatrika izany
F’aza dia tsiniana
Ny Lalana vitany sy izay efa hitany
No anton’ireny anatranatra ireny
Ka manomboka izao hatsaharo amin’izay
Ilay fiteninao matetika hoe: “izay indray I Neny”
ORA
20-06-2021
--------
Rohy:
426 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ora
Nampiditra : ora
Daty : 24/06/2021 09:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102