NY FO TIA (Ora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Fo tia dia mahatsiaro mijaly ary tena marary
Tsy mba manana vava afaka hilaza ilay hirifiry
Kanefa impiry no mikainkona mora mahatsiaro tola
Tsy mba afa-miteny raha sendra ireny lefo-maranitra
Fa mbola miharitra
Mitempo malaky manao haingam-pandeha
Mihazakazaka tsy mahalala lanaka mba ho aiza no aleha
Ny olona manana ilay Fo Tia tsy sarom-pantarina
Be fandeferana miandry hotiavina
Tsy sahy mamboraka amin’ilay olotiana
Fa misento mangina, mijaly tsy satry, marary anaty
Migoka ny gidin’ny aretim-pitia
Noho ilay FO TIA.
ORA
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
660 1
Mpakafy: ora
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ora
Nampiditra : ora
Daty : 24/06/2021 09:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141