SITRAKA (Ora)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fantatro izay inoako

Mba fantatrao va re
Fa an-taona marobe no nitalahoako
Tsy ho voaveriko eto
‘Reo toloko sy ny sento izay nampitoloko
Tao ny fahoriana
Tao koa ny fijaliana, samy nampilofika
Nisy ny adi-tsaina
Izay nampiferin’aina nefa aho tsy nitanondrika
Satria……
Fantatro izay inoako
Tokana IZY tsy hosoloiko, tsy nanadino na oviana
Tahaka ny tsy nisy akory
ireny zava-nampahory, resy avokoa ny hakiviana
ary ankehitriny izao
mbola nihevitra ahy Ianao, nohenoinao ireny vavako
Ray Tsitoha ô, misaotra anao!
Mankasitraka tamin‘ilay valim-bavako

ORA
Antananarivo, faha-22 Novambra 2019-07h23
--------
Rohy:
682 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ora
Nampiditra : ora
Daty : 22/11/2019 04:38
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143