ILAY FIFANENANA (Ora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa hono ho’aho?
Tsy tadidinao angaha f’izaho ilay tovovavy nifanena taminao
Eny e, mety ho tsy tandritandrinao
Nefa tena tsaroako mihitsy ilay isika nifanena tamin-dalana mahitsy
Ianao ianao irery!... izaho izaho irery!
Dia saikatra aho raha vao jinerinao
Ka mody tsy nijery ny masonao nitopy nanombatombana ahy
tamin' izay no tsapako tsy nisy ohatr’izany ho nitafy henatra ny tenako
henoko ihany koa ny fidobokin’ny foko nanao haingam pandeha,asa loatra re!
tsy hitako ny atao ka dia niondrika aho nandinika ny tany fa menatra aok’izany
kanefa ireto tongotro vao maika nifamingana
Vao nidify anefa ianao afaka indray na indroa mandingana
Nisava teo ilay henatro nefa ny eritreritro toa tsy nety tony
Ka nony vetivety dia indro fa nantsoiny
Ka niherika aho nijery hay tsy ianao irery fa nisy olon-kafa anakiray koa tao nifandona taminao
Noho ianao variana nanara-maso ahy
Teo indrindra indrindra ny fijerinao nifanojo tamin'ny ahy
Ka tonga nampirindra nanova ny fihetsiko hanjary sahisahy
Toa samy te hihomehy
Nefa samy lasa indray
Dia izay!!!
--------
Rohy:
456 1
Mpakafy: ora
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ora
Nampiditra : ora
Daty : 24/06/2021 09:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014