IANAO ILAY TIA (Ora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha vao mifoha maraina
miramirana aok’izany
ravoravo izany saina
toa paradisa ny eto an-tany
…tia ianao izay
Toa tsaroana eny foana
reo teny mamy sesilany
nandaniana ny fotoana
ireo karazan-tambitamby
…tia ianao izay
Ireo karazana angola
ny tositosy sesehena
niarahana nidola
tan-dalana sy teny an-tsena
…tia ianao izay
‘Reo teny zay nandratra fo
ny hasarotam-piaro kely
nanohitohina avokoa
tsy hadino velively
...tia ianao izay
Ny ranomaso mangingina
ny hatezerana miafina
sy ny kabary tsy valiana
tena fitia manan-kasina
…izay IANAO ILAY hoe TIA

22 MARS 2016
--------
Rohy:
1595 2
Mpakafy: pia - kilonga1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ora
Nampiditra : ora
Daty : 22/03/2016 09:43
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146