Ny LEHILAHY "L"-Loham-pi (Ora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny LEHILAHY

"L"-Loham-pianankaviana azo itokiana
"E" eny, Ezaka avy aminy mihitsy no ilaina
"H"-Hery feno tanjaka tsy lanilaniana
"I"-Iainkinan’ny zanaka ary koa andrandraina
"L"-Laza tokoa eo amin’ny fiaraha-monina
"A"-Andry lehibe ho an’ny ankohonana
"H"-Herana mijoro tsy maty vonoina
"Y"-Ilay Ray rehefa tena vontom-pinoana

Ny VEHIVAVY

"V"-Voasongadina hatrany amin’ny lafiny rehetra
"E"-Endrika sy bika ary koa ny toetra
"H"-Hatsaram-panahy, sy fitiavana misandrahaka
"I"Ipoiran’ny aina fototrin’ny taranaka
"V"-Vonona iantsoroka karazan’adidy
"A"-Antoka misongadina tena sarobidy
"V"-Voninahitra, tabiha ary koa rehareha
"Y"-Ilo mampamandina ny lalana aleha
--------
Rohy:
417 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ora
Nampiditra : ora
Daty : 12/07/2021 08:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147