Ireo HERY EFATRA (Ora)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY VINTANA
Endrika iray ilazana
Haratsiana na koa hatsarana
Voaray maimaimpoana
Tsy nanampoizana izany fotoana
Toa sendrasendra tsy nahy
Ity hery ankiray sahisahy
Nametraka sady nandidy
Tsy mba hananan-tsafidy

NY ANJARA
Tsy azo lazaina ho safidy
Fa nisy ny fifandrombahana
Ahazoana ny anjara tandrify
Izay vokatra tsy azo hanoharana
Raha anivon’tontolo tsy misy
Aoka tsy ho kivy amin’izany
Fa ny anjara dia tsy mba midify
Raha mbola tany ny tany

NY TENDRY
Voapetraka dieny mialoha
Sady tsy maintsy diavina
Tolotra avy amin’ny Tsitoha
Hany ka tsy azo lavina
N’inon’inona zava-kinasa
N’inon’inona zavatr’irina
Ao ny tendry izay mety handatsa
Noho izy tsy azo idifiana

NY LAHATRA
Lalana efa voasoritra
Hizoran’ny tsirairay
Mahitsy fa tsy miolikolika
Manaraka tsipika iray
Miankina ny anjara sy vintana
Ary ny tranga ‘zay efa voatendry
Aleo miandrandra ny kintana
Hitohizan’ny zava-kinendry
--------
Rohy:
432 1
Mpakafy: ora
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ora
Nampiditra : ora
Daty : 01/07/2021 08:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144