Tsy nampoiziko (Oully)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy nampoiziko ho ianao
No nanondrika ahy hitomany

Tsy nampoiziko ho ianao
No nanitsaka ahy ho ambany

Tsy nampoiziko ho ianao
No nampamaizina ahy ny tany


Tsy nampoiziko ho ianao
Nefa tena ianao, ary ianao ihany!


Nogent, 23 jolay 2004
--------
Rohy:
Sokajy : Fiononana - Alahelo
3352 0
Hevitra mandeha
Oully ( 24/07/2004 09:06)
Matetika dia tsy misy miresaka ny hevitry ny mpanoratra teo am-panoratana ny asa-sorany.
Mety azo heverina fa teto dia nandalo alina mafaitra, toy ny nofy ratsy ny mpanoratra. Mety ho voatanisany tao anaty an-dàlana maro sy antsipirihany ireo « tsy nampoiziny » rehetra: lainga, fitaka, fivadihana, fiovaovàna, fihatsarambelatsihy, hakanosàna.... Saingy nofantenany kosa izay mendrika sy tsotra azo avoaka am-pahibemaso. Na izany aza mety hijanona ho vavolombelona sy ho porofo hotsarain'ny tantara izany indray andro any, afaka 5, 10, 20 taona. Amin'izay fotoana izay vao hitady sy hanotany ilay fitiavana niarahana fahiny, ... saingy ho « tsy hampoiziny » ny valiny.
Azo heverina avokoa izany rehetra izany.
hery ( 25/07/2004 08:54)
Tsy nampoiziny

Tsy nampoiziny ho ianao
no hitana andolom-po
ny fitiavana tsy raikitra
NyKanto ( 25/07/2004 15:48)
Fafao dia avalony
Aza asiana lonilony
Angamba mora hoy aho
Fa mety ho mafy aminao
Dia tena fero ihany koa
Ny antso tody, lolo-po
Fa isaory ny Tsitoha
Sao dia 'zay no mahasoa!
Izy no tena afaka
Hamafa ny tomany
Tsy mendrika hilatsaka
Ho an'izay tsy tia

Ny Kanto.









bichette ( 26/07/2004 07:31)
oully, mety mandalo fotoana sarotra angamba ianao fa tsarovy fa ilay olona tsy nampoizinao dia olombelona nofo aman-drà ihany, ary miombon-kevitra tanteraka amin'i nykanto aho ; izao kosa, avela hivalona tanteraka ny taloha fa raha mbola misy koa ny maraina .... misy any ho any tena tsara lavitra .
Oully ( 26/07/2004 08:40)
Misaotra anareo namana rehetra. Fomba fiheverana fotsiny ireo fa tsy hay izay tena nisy marina tamin'ny mpanoratra.

Fa ny "tsy nampoiziny" avy amiko ve no tsy rariny ka ny "tsy nampoiziko" avy aminy no rariny?

Vao maika tsy nampoiziko !
baboune ( 26/07/2004 13:08)
tsy misy fisarahana tsy mangidy zany nefa kosa misy andro iray any ho any izay hisaoranao indray ny lanitra nohon' ny zava-nisy rehetra
bichette ( 26/07/2004 14:41)

tsy nampoizina tokoa
ary nanaitra ahy tokoa
izao fiafaranareo izao
kanefa kosa dia izao :

samy namako ianareo
ka na inona na inona izay feo
mety ho reko momba anareo
dia ho tiako foana ianareo

Oully ( 27/07/2004 08:49)
:(
bichette ( 04/03/2005 11:45)

antenaiko fa efa tsy tsaroana intsony ny ngidy.
nivadika tanteraka ny pejy ary tsy hanao tononkalo ohatran'izao intsony fa hafa indray
antenaiko fa efa tsy misy fahankahalana intsony ary efa namaly ny vavaka ny Tompo

mahatokia Azy
tsila ( 10/09/2005 08:20)
Tsy nampoizinao mantsy
fa mandry an-driran'antsy
ilay tsy manampo
satria tsy manam-po

tsy ampoizinao koa
fa izy tsy miteny
dia ratra sy ferena
satria mba nanantena
angolangolan-teny
Kinanjo,... tsy nampoiziny avokoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Oully
Nampiditra : Oully
Daty : 23/07/2004 21:18
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0122