Tsy haritro (Randja)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haritro moa ny tsy hibanjina ny endrikaondre izato izy fa toa feno hatsarana, toa zary higagana
mampientana ahy, mandrisika ahy hilaza vaovao
tiako ianao, ity ny foko omeko hanjakana
Tsy haritro hatrany raha ny tsy hamihina
ity vatanao tsara tefy, tsara vohatra mazàna
fa toa nahatalanjona ahy, zary nahasondriana
mitampify eo aho no injao maka hafanana
Tsy haritro hatramin'izao raha ny tsy hanoroka
ity molotrao toy ny voankazo maha te hihinana ry neny
fa tena matsiro, eny tsy mba mahatofoka
dia zary nahazatra ireny oroka ireny
Tsy haritro mihintsy raha ny tsy hitia anao
izay angamba no teny atsipiko sy azoko lazaina
sanatria raha eritreritra mandalo fa faniriana efa ela ny ahy izao
ny ho malalanao eny izay no tanjoko visavisaina
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana
