You are here: home > Vetso

Aza Kivy - Pissoa

Azo vakiana?

Aza kivy

Na dia saron-draho-mainty aza ilay masoandron'ny maraina
Ka toa tsy ho azo tanterahina ny nofinofy sy kinasa ;
Dia aza mba manary toky, mbola misy ny antenaina,
Fa ny androany mantsy, rahariva ihany dia efa ho "lasa".

Na misarisary folaka aza ilay andry fianteherana,
Ka tsy hita ny hiantefana amin'ny andro mahatorovana ;
Dia aza mety mitanondrika, misalobona faherezana !
Fa azo avily ny ampitso, ny androany fandalovana.

Na heverinao fa maty aza ny afon'ny fanantenana,
Fa haizina no manoloana, tsy misy mety izay atao ;
Dia aza atao mampitomany, raiso toy ny fisedrana
Mamolavola anao hatrany, ka hanovozy hery vao.


Pissoa

Hevitra mandeha

piste (04/09/2007 03:49:25)

Misaotra e e e.

pissoa (17/09/2007 20:44:39)

tsisy fisaorana e ! hi hi hi

Mombamomba

Mpanoratra : Pissoa

Nampiditra : pissoa
Daty : 06/12/2006
Mpamangy : 1651
Mankafy : 0

Tononkalo hafa

Izy ilay Dada
Sahia
Tsy hanoratra
Tsy fantatrao
Mizarà Fitiavana
Torio fitiavana
Vavaka hariva
Izy ve ?
Nofinofy lavitra
Hiangaro