Efa nisy - Pissoa
Efa nisy
Efa nisy anie mazava tery am-para vodilanitra
Efa tazako mazàna ilay ava-maro loko ;
Fa miserana izy iny, tsy natokana haharitra
Ka tsy tsinjony akory, ny atý anie ka mitoloko.
Efa nisy ranon'ando nanakotsa itony tavako,
Efa nisy orana aza mba niseho nivatravatra ;
Fa niserana izy ireny, tsy nahatototra ny lasako
Ny tratrevany nitsaoka ny fijaliana ao an-tratra.
Efa nisy anjomara nanambara f'efa akaiky,
Efa ho tody izato dia, itsy ampita ny tanàna ;
Saingy atao ahoana moa ny tsy ho kivy sy hanjokaiky
Raha ny foko no mandreny fa tsisy lakana hitàna ?
Soa fa misy itony vetso tsy hamela intsony hiraraka
Itony dinitry ny foko ... mandra-pisy valim-bavaka.
Pissoa (1 Jolay 2009)
Hevitra mandeha
tsiambaratelo (02/07/2009 03:58:03)
...efa nisy orana aza mba niseho nivatravatra
fa niserana izy ireny...
Tiko be io andininy io!
pissoa (02/07/2009 07:47:03)
Valin'ilay Mandra-pisy nosoratan'i Fredy Jaofera :))
http://vetso.serasera.org/tononkalo/fredy-jaofera/mandra-pisy
Zozoro (02/07/2009 11:54:00)
Tena mankasitraka pissoa â ! ary mankalaza.
Zozoro (02/07/2009 12:16:24)
Zozoro (02/07/2009 14:13:34)
Raha toa masoandro sasatra
Tsy aleoko ve ny kintana !
Raha anjara tsy hamokatra
Ekeko izany vintana !
Raha sambo toa andrendrika
Ny zahatra noamaharana
Raha nofy tsy ampy fenitra
Ny angano no hifatrarana.
Zozoro
felandefona (03/07/2009 07:15:10)
miombonkevitra amin'ny tsiambaratelo aho tsara be iny andininy iny
Mombamomba
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoaDaty : 01/07/2009
Mpamangy : 1909
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Izy ilay DadaSahia
Tsy hanoratra
Tsy fantatrao
Mizarà Fitiavana
Torio fitiavana
Vavaka hariva
Izy ve ?
Nofinofy lavitra
Hiangaro