Iny Zanako Iny (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iny Zanako iny.

Tanora loatra izy iny dia lasana sahady ;
Zaza mbola tsy nandady !
Mbola tsy nandramany ilay fombako nibada
Nihanta tamin'i Dada ;
Mbola tsy hainy akory izany hoe miteny
Na miantso an'i Neny.

Mbola tanora hoy aho, tsy mbola nitomany !
Tsy mba nahita akory ilay mazava ety an-tany.

Iny Zanako iny.

Efa noheverin'ity fiainako adalo
Fa ahy tsy atakalo !
Efa nandrandrain'ny amiko tontolo
Fa hotiaviko bontolo,
Ka na hanao ahoana ny onjan'ny fiainana
Dia ho azy no isainana.

Eny, mbola tsy hitako, fa efa tiako hoy aho !
Tiako tao anatin'irony haizina nitraho.

Iny Zanako iny.

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fahafatesana - Alahelo
1557 1
Mpakafy: Anita31
Hevitra mandeha
mamps ( 12/09/2007 21:11)
firy kay ny isany teny gasy foroninao manokana
pissoa ( 14/09/2007 09:45)
Hi hi hi, aotra (zero) !
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 01/07/2007 22:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153