Lehibe izahay (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lehibe izahay

Ry lalanay fahiny tery amoron-kady
Niatrika ny angola, ny tsiky, sangisangy
Niaraka niaritra irony ady, tena ady
Izahay toy ny adala ... nifanasa vangy.

Mahatsiaro anao izahay !

Ry rano mikoriana tery an-dohasaha
Nihaino irony voady mba nifanaovanay
Ny fifanomezan-toky hiara-misalahy,
Hamakivaky fiainana, ety sy "rahatrizay"

Mahatsiaro anao izahay !

Ry teny Malagasy, teny ... tonga lafatra
Nentinay namboraka ilay fitia, "tena fitia"
Teny fihantana, fifandefasana hafatra
Namela hanantena fa misy ny "doria"

Misaotra anao izahay !

Tato ho ato mantsy, toa lehibe izahay :
Vonona handroso ho fianankaviana ;
Hampiaraka sy hiaraka, ho iray mandrakizay !
Mahatsiaro anareo f'efa ho toa ny faniriana.

Lehibe izahay

Pissoa
(14 Febroary 2008)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1389 1
Mpakafy: haraldtohaina
Hevitra mandeha
sazykely ( 15/02/2008 08:01)
mampitodika ahy any amin'ny tany nahaterahako ity tonokalo ity. Tany niaviako fa ny tena tsaroako dia izho ilay nanao T1 tany e!!!
DadaRabe ( 26/02/2008 00:02)
Mahafinaritra Pissoa à!

Tohizo foana é!

DadaRabe
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 14/02/2008 21:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0208