Mangina (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fireneko

Mangina izy tsy niteny,
Tsy nahaloa-peo intsony
Nopotehinao ireo tehiny,
Ireo nohariany, nokoloiny.

Mangina izy, misento lava
Noho ny fingampinganao.
Jereo ilay endriny fa rava,
Noho ny etraketrakao.

Mangina izy f'efa lavo,
Fandrihanao ireo olo-mariny.
Izay te hanandratra azy ho avo,
Anaovanao ny tsy rariny.

Resy izy, amin'ny tany,
Dia io ianao fa mody fanina.
Ireo hevi-petsinao tsy lany,
Manepotra azy tsy ho tafarina.

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
1567 2
Hevitra mandeha
proost ( 30/03/2005 11:03)
kanto kaloina sy lafatra loatra
mandra-pihaona e!!!
proost
proost ( 02/07/2005 16:59)
manahoana
ity tononkalo kely ho anao sy fankasitrahako ny asasoratrao
Oroka monja
Dia ampy hampanonja
'Lay foko voafonjam-
Pitiavana andry

Oroka monja
Dia ampy satria
Ny fo rehefa tia
Tsy be karajia
salut
pissoa ( 07/07/2005 09:54)
...
andriary ( 04/11/2005 14:10)
...uuummm
izany ka tonokalo mitolona!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 17/03/2005 15:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0114