Mpandalo (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mpandalo ...

Ny fahitany anao mandalo,
Na tsy fantany anarana,
Dia mahatonga azy hikalo.

Fa lafatra sy kanto indrindra
Ilay volonao milantolanto,
Ilay fidola sy famindra.

Namoronany tantara ...
Nofinofy hoe tinao,
Ry tovovavy tena tsara.

Nataony hatramin'ny nanjohy
Ilay lalana falehanao
Mba hisy resaka mitohy.

Kanjo, lasa alahelo lalina
Ireo nofy mamy nakafiziny;
... Tsy azy ianao fa an'ny alina!

Ireo tsikitsikinao mahalana,
Saika hangoniny, hotahiriziny;
Tsy ho azy, hay, fa ho an'ny lalana!

Ka aleony ajanona ho mpandalo
Fa na ho azy aza mantsy ianao,
Dia hitambarany amin'ny maro.

Pissoa (Jiona 2005)
--------
Rohy:
1033 1
Mpakafy: lapino
Hevitra mandeha
raozigasy ( 24/02/2006 12:32)
ankafiziko avokoa ny asasoratrao sy pissoa a !
lapino ( 26/02/2006 02:11)
Ny ahy i pissoa mihitsy no ankafiziko! :-P
pissoa ( 26/02/2006 08:29)
Aoka re ry Raozy marina ah! Hitadiavako voambolana vaovao eo anie ny asasoratrao e, hihihi.

Misaotra an'i lapino "Nandalo" teto, hahaha
lapino ( 26/02/2006 08:59)
Misaotra an'i pissoa nandalovana e! ;-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 22/02/2006 17:45
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148