You are here: home > Vetso

niova ianao ... - Pissoa

Azo vakiana?

niova ianao.

Ho tantinao io va re,
Raha mba averiko aminao
Ny familafilana?
Toa fomba nahazatra anao,
Sy toetra tsy azonao nialana,
Toa nanosika ahy handeha?

Moa ho zakanao io koa
Raha ataoko irony teny mafy,
Sa tambitamby niova loko?
Na ireny gafigafy
Nanindrona ny ambompoko;
Tsy indray mandeha na indroa ...

Moa ho azonao leferina
Raha 'zaho no tsy mivaky loha
Fa manao tara lava?
Toy ny fombanao taloha,
Ka na ho tataka ny vava
Dia ny eo ihany no miverina.

Nefa tsy tiako izany no atao,
Fa efa niova mantsy ianao.

Pissoa (30 Aogositra 2005)

Sokajy : Fifaliana, Fitiavana

Hevitra mandeha

mi12 (10/10/2005 11:43:25)

inona anga no mety nampiova azy, nanarinao ve? sa mba nahatsapa tena?

pissoa (10/10/2005 15:33:26)

ooops, pissoa moa izany tsy mbola niaina io tononkalo io eh ...
fa ndeha atao hoe nanarina dia nahatsapa tena :)

Malalason (12/10/2005 11:18:35)

ny valifaty tsara indrindra dia ny : FAMELAN-KELOKA, izany an mirary soa
Malalason

pissoa (13/10/2005 12:19:57)

ekena

lapino (13/12/2005 11:11:21)

Pissoa < tsy mahatakatra ny lentan'ny tononkalonao, fa io e ;)

Ianao tsy tonga saina akory
Amin’ny atao sy ny teny
‘Zay tena mahasosotra
Lefitro aby anefa ireny

Eo koa ny hoe toetra anaty
Ilay tsy dia mivaky loha
Hay ianao tsy nahatanty
Dia nitana lolom-po

Mahatalanjona ahy tokoa
Ity natiorantsika ity
Fa toa natao hahasoa
Ireo sedrasedran’ny fitia

Eo ange eritrereto
Raha tsy nisy moa izany
Isika ve izao hatreto
Mbola ho niaraka hatrany?

“Niova aho”, niova ahoana?
Izao ve ianao vao mahazo
F’ ianao ange tiako, tiako foana
Ilay fitiavako tsy halazo

pissoa (16/12/2005 17:43:17)

lapino> milay an! misaotra e! :)

nyeja (20/12/2005 13:24:33)

lapino hitako ny sangan'asanao anio, tsara e dia ny an'i pissoa koa fa indro kely fotsiny dia aza mampiasa teny efa nampiasaina eo aloha hamaly ilay eo aoriana ohatra hoe efa miteny fo ianao dia aza averina intsony fa ataovy teny hafa. Fa tsara ilay tononkalonao e.

pissoa (20/12/2005 15:26:21)

misaotra an'i nyeja mitsidika sy mitondra fanintsiana!

lapino (20/12/2005 20:58:02)

Andray kosa e, nenay misy rima tapaka dia tsy mba nahitsin'i nyeja, ... :)

pissoa (05/02/2007 16:33:20)

Aza masosotra ry lapino an ;)

Mombamomba

Mpanoratra : Pissoa

Nampiditra : pissoa
Daty : 09/10/2005
Mpamangy : 1810
Mankafy : 2

Tononkalo hafa

Izy ilay Dada
Sahia
Tsy hanoratra
Tsy fantatrao
Mizarà Fitiavana
Torio fitiavana
Vavaka hariva
Izy ve ?
Nofinofy lavitra
Hiangaro