Ny antsika roa ... (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny antsika roa,

Ho inontsika moa ny androany,
Na dia "fety" eran-tany,
Raha tsy tena avy ao am-po?

Sao hanjary seho ivelany
Ka hadera ny famelany,
Nefa tsy hitondra soa.

Ndeha hidola toy ny volana,
Hanalavidavitr'olana,
Dia hahafinaritra ny miaina?

Sa handeha hitango kintana,
Dia hitanisanisa vintana
Hahamirana ny saina?

Nefa ny "isanandrontsika",
Tsy mba ilay volana baliaka,
Fa ilay haizina sy jaly.

Isika samy mahafantatra,
Tsy hilana kintana hitaratra,
Fa tsy miova ilay "omaly".

Raha mbola misy ilay fitiavana,
Raha mbola manana finiavana,
Raha mbola vonona hiara-dia;

Ndao mba zavatra haharitra,
No iarahana mamaritra,
Mba hampivelatra fitia.

Ndao havily ny tantara,
Tsy iandrasantsika anjara,
Fa andraikitro io, andraikitrao.

Ndao ny antsika, Sombinaina,
Ny isanandro no hatsaraina:
"Isika roa" vaovao.

Ndao ATOMBOKA androany
Ny "fety" ho antsika roa.

Pissoa (14 Fevrier 2006)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - Fiainana
1740 2
Mpakafy: fiaritiana - mikeh
Hevitra mandeha
bichette ( 14/02/2006 12:27)
tena tsara tokoa
fiaritiana ( 14/02/2006 20:25)
Marina mihitsy izany ry Pissoa a! tsy hoe manao fety ny olona dé iny mba hanaraka koa na tsy tia aza!fa tena ilaina ny fitiavana
mahereza aky a!
tsara bé
pissoa ( 15/02/2006 15:28)
Misaotra an'i bichette sy fiaritiana e!

Fiaritiana: Mangala-tahaka fotsiny, hihihi
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 14/02/2006 06:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144