raha ho any ... (Pissoa)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sombinaiko,

Raha toa ianao ka ho any,
Dia ilazao ilay Ray Tsitoha
Fa hafaliana, teny mamy,
Fitia tsy manam-paharoa
No nomaninay ho anao.

Raha toa ianao ka ho any,
Dia aoka ho ambetin-dresakao
Fa tamim-bavaka hatrany
No niandrasanay anao
Ilay vahiny kelinay.

Raha toa ianao ka ho any,
Dia aoka ho fantatrao ry aiko,
Fa fihafiana sesilany,
No niaretanay sy ilay lalaiko
Nividy akanjokelinao.

Raha toa ianao ka ho any,
Dia ampahafantaro ilay Nahary,
Fa ezahinay resena ihany,
Nefa tsy mety fa miharihary
Ny fahabangan'ny toeranao.

Raha toa ianao ka ho any,
Dia hitalahoy an-tanan-droa;
Raha hisy indray andro any,
Ny zanakay faharoa;
Dia mba ho azonay tezaina.

Pissoa (08 Septembre 2005)
--------
Rohy:
Sokajy : Fampaherezana - Alahelo
1684 0
Hevitra mandeha
pissoa ( 16/09/2005 12:53)
... ho an'ilay namako izay ... tsy azo ny zanany
ikalamako ( 12/04/2019 21:43)
sniff sniff be amin'lay tononkalo :'(
hery ( 15/04/2019 15:43)
Ndriii
pissoa ( 16/04/2019 07:16)
Hihi ohatra ny misy miantsoantso ilay Pissoa ato hoe jerijereo ilay tononkalo fa misy mamela hafatra.

Misaotra sy mirary soa.
ikalamako ( 18/04/2019 19:39)
bàà be rafotsy a...nangorangorana ihany koa ny tena niantsa azy kanouhhhh
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 08/09/2005 12:59
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144