Ry Masoandroko (Pissoa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anio maraina aho, vao nifoha
Dia notsenain'ny taratrao;
Taratra efa teo taloha,
Taratrao vaovao.

Notoloranao hazavana
Hiatrika ny androany;
Ny haizaina te ho tamana,
Fa tonga ianao dia niala ihany.

Dia nampianao tsikitsiky
Hisedrako ny ankaso;
Raha sendra resy, kivikivy,
Miarina ihany, tsisy andraso.

Nitondranao hafanana
Hangetaheta fahombiazana;
Asesikao tsy hihanahana,
Fa hioty ny efa tazana.

...

Ny herin-tsaiko saika hatory,
Nofohazinao, ho tena velona;
Ny hetsi-po sy lonilony
Nodorana ka nandavenona.

...

Ka raha hidify ianao ny hariva,
Ho lavitra ahy, ry ilay johariko;
Dia ilay taratrao mihaiva,
No isaorako Ilay Mpahariko.

Ry masoandroko ...

Pissoa
--------
Rohy:
Sokajy : Malalaka
1380 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoa
Daty : 05/05/2006 19:35
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141