Tsy fantatro - Pissoa
Azo vakiana?
Nitsambikimbikina ny foko, niolomay !
Ny anaranao mantsy sendra voatonona
Ka injay nampiontana, nampandroatra indray ;
Ny hetsi-po niery, nitombo, namololona.
Injay mangitakitaka ny amiko rehetra ;
Tsy hita izay atao : hitsiky ? Hitomany ?
Toa tsindrin-daona, mitsangana, mitoetra.
Inay aho mba vorona, nisidina any ho any.
Mahatsiaro anao aho, sa tsy mbola nanadino ?
Fitia nataoko ho faty, nitsangana, nifoha.
Tia aho sa mba manina ? Moa ny foko mino
Fa ny amintsika anie ... tantara efa taloha ?
14 Septambra 2009
Hevitra mandeha
tsial (17/09/2009 07:37:54)
Izany ny ainga-panahy rehefa tena iainana, tena mivaingana ny hakantony;
Nampitsambikina ny foko ihany koa,...
Nampahatsiaro... ilay tantara efa taloha.
Misaotra Pissoa a!
lyopa (19/09/2009 18:27:42)
io fitiavana io mantsy dia sarotra hadinoina
Zozoro (01/10/2009 18:13:29)
"Tsy fongotra akory ny hazo kapaina,
ny raviny foana no raraka an-tany
Ny tahony angamba no mety ho maina
Fa ny fakany kosa dia mbola ao ihany..."
pissoa (10/10/2009 15:26:00)
Misaotra mitsidika o hi hi hi
Zozoro : Tsy mety tadidiko ny feon'io hi hi.
raozigasy (27/07/2010 23:36:07)
Toa henoko noloarana, tanaty fahatsiarovana
Ilay anaranao, tsy resim-pahalovana
Ka nampiontan-doboka, ilay foko efa nitony
Sy nanaitra indray, ilay tsy nafoha intsony
Natamberinao, ry lasa nisakodina
Ilay anarany iny, ka ny saiko nihodina
Tsy nahatombin-tsiraka, fa toa azom-panjaitra
Ilay tao anaty tao, ka somebika sy taitra
Inona no antony, sa fimpongaran-dasa
Sa ve ilay fahiny , no ratsy koban-tsasa,
Sa tsiahy iray ratsy levina, no sendra mba niselona
Ka tantara taloha, no taitra saika velona
pisokelinah (06/12/2010 15:52:20)
Mombamomba
Mpanoratra : Pissoa
Nampiditra : pissoaDaty : 16/09/2009
Mpamangy : 3409
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Izy ilay DadaSahia
Tsy hanoratra
Tsy fantatrao
Mizarà Fitiavana
Torio fitiavana
Vavaka hariva
Izy ve ?
Nofinofy lavitra
Hiangaro