Misy Fetra (Ra-Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Asa loatra re, fa ianao io moa no iza?
Mihevi-tena ho tsy manatsiny.
No sady manambany, manao ahy ho hiva.
Toa faly mampahory, sy mampan-girifiry.

Dia mihevitra ve ianao, fa izaho hiaritra?
Ka hitsahinao lava ny tapon’ny loha?
Sa mahasoa anao na koa mahafinaritra?
Ny mahita ahy mamoritra lohalika roa?

Takiana fifonana aho ka nataoko izany
Nataoko hampahamatorana fa tsy haniany
Kanefa nataonao toy ny tsy misy
Na ilay vodin-tsobika aza tsy nana-tandrify.

Dia hoy aho hoe ampy kosa angamba zay
Fa izaho tsy hitalaho na hivalo intsony
Ny vitako tsy hanenenako mandrakizay
Ny hiriako, indray andro mba hanako ao ampony.

Fa nataoko izy ireny, tsy nataoko ho ahy
Fa noho ilay fisian’ny menaky ny aiko.
Izay tsy foiko hitoreo na koa hiahiahy
Fa maha vaky ny fo sy ny saiko.

Saingy, toa tsy misy azoko atao mihoatra
Aleoko aho mangina, toy izay hitroatra
Ny fahanginako no ho ataoko harena soa
Ho amidiko lafo hanatrakako loha

Enga anie tsy ho tsinoko izao seho izao
Fa izay aho vao tena tofoko sy lao
Aleoko amin’izay aho hamadika pejy
Tsy hoe raha hialanao aho akory dia ho lasa mpivenjy.

Ra-Aina
24 Nov 2020
--------
Rohy:
Sokajy : Hambom-po - Alahelo - Fitiavana
457 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ra-Aina
Nampiditra : Ra-Aina
Daty : 30/12/2021 08:26
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141