FOANA (Rabarison Roberto Stephan)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Foana

Foana tsisy intsony
Tsy aiko atao hoe ahona
Ilay fitiavana tao am-pony
Nataony veloma mandra-piaona

Foana tsy misy ahy intsony
Fa efa natolony olon-kafa
Efa olom-baovao no tompony
Izaho efa niova bandy iray hafa

Foana tsy misy azoko hantenaina
Ny alahelo toa tsy mety ho tony
Isan'andro toa lasalasa saina
Hoe niova angah ny rano nandrony

Foana teo koa angamba ny fisiko
Mety tsy ho tadidiny mandrakizay
Aleo ny lalam-baovao no hintsiko
Dia itady nofy hafa indray

Rabarison Roberto Stephan✍️
--------
Rohy:
274 2
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabarison Roberto Stephan
Nampiditra : Roberto2001
Daty : 26/10/2023 05:46
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147