Ilay Fitiavana (Rabarison Roberto Stephan)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hay ve ny fitiavana mahafaty
Isan'andro mitia, isan'andro ianao miafy
Miafy fa tena tia nefa ampahoriana
'Ty fitiavana ity kay mampitondra fahoriana

Raha izaho aloha, aleoko mitia amin'ny vava
Dia mitsiky foana na ilay fitia ary efa rava
Fa raha mitia olona tena amin'ny fo
Dia mety ho simba ianao fa lasa kitoatoa

Vao mihetsika kely dia filam-baniny foana
Feno hasarotam-piaro mandritra ny fotoana
Ianao efa miezaka mitandrina no sady hendry
Fa izy mora romotra no tia mibedibedy

Hany ka lasa kivy aho isaky ny miresaka
Satria mahita an'azy tezitra dia mivalaketraka
Dia alahelo foana no hiainana matetika
Na ny endriko ary tsisy tsiky fa toa mifetoka


Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Rohy:
308 0
Hevitra mandeha
Roberto2001 ( 13/06/2024 10:40)
Misaotra foana an'i Ikalamako tamin'ilay antsa
ikalamako ( 13/06/2024 12:22)
tam-pifaliana e (tsiky)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabarison Roberto Stephan
Nampiditra : Roberto2001
Daty : 28/02/2024 08:17
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014