NISAONA (Rabarison Roberto Stephan)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy toa nanjary nisaona

Nanantena ilay fitia ho paradisa
Hoe any aoriana any mbola hihaona
Sy hanantateraka ilay visavisa.
K'anefa anio toa lasa zava-poana
Ilay fitia tsy nety vita.
Toa niserana sy foana

Izy toa nanjary nisaona

Nanantena fa ianao eo foana
Tsy mba ho resin'ny fotoana
K'anefa indrisy. Tapitra izany
Nanantena ilay fitia tsy lany mamy
Taty aoriana toa nivadika tomany

Izy toa nanjary nisaona

Ary tsy mba nanantena intsony
Ny hitady olon-kafa ampifaliany izany fony
Fa navelany ho irery
Tsy mba nasiany hoe an-tery
Fay tena fay ary tsy nanantena intsony
Aleo hono hijanona amin'izay, fa zay no mampifaly izany fony

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Rohy:
131 0
Hevitra mandeha
Roberto2001 ( 24/04/2024 10:55)
Misaotra an'i Ikalamako tamin'ilay antsa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rabarison Roberto Stephan
Nampiditra : Roberto2001
Daty : 19/02/2024 15:57
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1521