Aza avela hahalala (Rado)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza avela hahalala
Ny antony nanaovanao
Ny hariva mamanala
Na ireo maraina vao

Aza avela hanontany
Ny hafaliana atolotrao
Na ny anton'ny tomany
Efa hitako hatrizao

Aza avelanao hanefy
'Ny ampitso izay anao
Aza avelano handrefy
'Zay ho fitantananao


Tsy ho takatry ny saiko
'Zay rehetra lahatrao
Ny angatahako ry Raiko!
Aoka aho hatoky Anao.
--------
Rohy:
12133 11
Hevitra mandeha
bichette ( 14/09/2004 07:42)
Efa mangirandratsy ny andro ry Oully, efa hiposaka ny masoandro. Kely sisa, eny kely sisa.
Olona mahafinaritra tokoa ianao ary hita fa manana fahendrena. mety maro ny olona manondro molotra kanefa izaho mahita fa ny atim-panahinao dia tena kanto, soa ary tena misy harena tsara izay tsy hitan'ny olona tsy mahalala anao.
bichette
Oully ( 14/09/2004 21:27)
Manohana mihitsy ny zavatra lazainao, fianarana ny fiainana. Mianatra matoky indray isika eto fa tsy manahy ny ho avy. Na izany aza, mihoatra lavitra noho izay hitanao amiko koa no hitako aminao. Mankasitra!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rado
Nampiditra : Oully
Daty : 13/09/2004 20:21
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0772