You are here: home > Vetso

inona ary moa ny vady? - Rado

Azo vakiana?

Inona ary moa ny vady, ô ry lahy?
Moa tsy aina
sombinaina
sy fanahy...

Ny vady tiana
fifaliana
akaiky fo
tan-danivoho
ka tsy ho lo...

O! ny vady
tsy fiady
fa ho tady
ikambanana
ho namana.

Tsy fanosy
na fambosy
fa aina iray
mandrakizay
sy fitia
doria doria...

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Penhell (27/07/2006 18:01:03)

Ho an'izay tsy mbola manambady no tsara mamaky sy mandray io tononkalo io.Aza manambady raha tsy hahatanteraka ireo fe-petra ireo.Ho an'izay efa manana kosa dia mirary soa ho antsika.

ANARIM (28/07/2006 03:50:14)

Penhell : aiza kosa no dia oe "aza manambady raha tsy hahatanteraka ireo fepetra ireo" fa raisina atao repère sy balise le izy

Mombamomba

Mpanoratra : Rado


Nampiditra : ANARIM
Daty : 21/10/2005
Mpamangy : 8282
Mankafy : 5

Tononkalo hafa

Noho ny zanako
Tanjona
Ny poeta
INAY
TOPIMASO
RAY Ô!
Angamba
VOROMANGA
Mpangalatra
SEPTAMBRA