Fisarahana (Rafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na dia teo aza ny teny naloaka
Tandremo ny fo sao misendoatra
Avy aminao no naha tonga izany
Kanjo aiza re zao no niafarany ?

Fitia voasembana sy nidiran’olona
Tsika roa ihany anefa no nitolona
Mora amin’izy ireo no manasaraka
Kanefa moa kely saina dia tafasaraka

Taty aoriana samy tonga saina
Naninona marina no tsy mba nisaina
Tamin’ny nandraisana fanapahan-kevitra
Fa toa zary entitra nefa tsy mba nivelatra

Soa ihany , soa ihany hoy ny vavam-bahoaka
Tsy hain’izy ireo anefa ny fo izay mitroatra
Maneho sy manembona azy hatrany
Hfankahita ve indray andro any?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
3223 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rafa
Nampiditra : napou
Daty : 20/07/2015 13:05
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0287