Mpiray tampo (Rafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Dimy mianadahy no iray tampo
Roa lahy ary telo vavy iankinam-po
Dada sy Neny velon-tsiky amin’ireo taranaka
Izay antenanaina fa ahay hifanaraka

Tonga ny andro hisehoan’ny tantara
Amin’ireo adidin’ireo zanaka ama-para
Dasa sy Neny no efa zatra mpanantanteraka
Izy ireo variana mitoko resaka

Telo vavy iankinam-po
Satria izy ireo no mpankatoa
Izy roa lahy tsy hita hianteherana
Amin’ireo vadiny mandemy an-toerana

Lasa Dada, namela azy ireo irery
Nanomboka teo dia Narary Neny
Izy telo vavy no niara nisahana
Mba hampitraka sy hamahana

Fotoana vitsy taty aoriana
Niala aina Neny teo am-pandriana
Aiza dada aiza reto zoky lahy
Tsy hita mba hiara hisalahy

Sombiny...
--------
Rohy:
Sokajy : Fianakaviana
1160 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rafa
Nampiditra : napou
Daty : 15/07/2015 08:38
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1921