Namana (Rafa)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namako efa ela, ary namako am-po
Hitantarako sy hifampizarako izay manjo
Tsy nifankafoy ary mifandray foana
Na mbola fahakely na amin’izao tonga taona

Nandeha ny andro, volana eny ny taona
Nisaran-toerana kanefa mbola tafahaona
Samy efa nanana ny olon-tiana
Ka nandeha teny arak’izay tiana

Sedram-piainana maro no nitranga
Tao anatin’izany ady mafy sy voampanga
Vady andefimandry nampirafy
Tratra tamin’izany ka nifandrafy

Nitady, nikaroka vaha-olana
Tany amin’ilay namana voatokana
Nampitraka azy ity farany
Sady nanome toky ho anjarany.
--------
Rohy:
Sokajy : Namana
1344 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Rafa
Nampiditra : napou
Daty : 15/07/2015 12:00
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139