Zazavavy (RAKOTOMALALA Jean.chris)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zazavavy

Iny anao ry zazavavy
Manitona ahy manitona mpiavy
Kanto fandeha kanto bika
Tsilovimandeha
Sao dia lanin’ny alika

Sanatry fanambanina
Na hoe faninina
Fa teny avy ao ampo
Teny tsy mety loha


Lasa anao any ny amiko
Lasanao tanteraka
Ka ny rehetra momba amiko
Dia any aminao no teraka

Ianao ry zazavavy
Izay misarika ny saina
Injato izao mba miangavy
Ny idiranao ato antsaina

Tiako ianao tsy afeniko
Fa ny any am-ponao no tsy ay
Ka ny izay no teniko
Inao mampirotsaka ny tsy ay
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1048 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RAKOTOMALALA Jean.chris
Nampiditra : tititi
Daty : 08/03/2006 14:56
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099