Fitia (RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampisambory fitia aho,raha izay sitrakao Ampisambory fitia dia aza atao kilalao
Ampisambory fitia aho dia tolory teny mamy
Ampisambory fitia aho fa tena ilaiko izany
Ampisambory fitiavana aho dia safosafoy
Ampisambory fitiavana koa dia orokoroy
Ampisambory fitiavana aho dia tambatambazo
Ampisambory fitiavana dia omeo voninkazo
Tolory fitia aho dia aza ampijalijalina
Tolory fitia aho dia omeo izay ilaina aza ampiafiafina
Tolory fitia aho dia aza halavirana
Tolory fitia aho mba ho miramirana
Omeo fitia aho fa ho averiko ny anao
Omeo fitia aho dia ho soloiko vaovao
Omeo fitia aho dia averiko indroa
Omeo fitia aho fa anjara ny antsikaroa
Ezaka rfm
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : RAKOTOMALALA Mandimbison FenoantraNampiditra : fenobe3
Daty : 11/02/2025 03:10