You are here: home > Vetso

MITOMANY I GASIKARA - RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra

Azo vakiana?

Mitomany i gasikara
Tanindrazana malala
Vao may miha osa
Itombahan'ny trosa
Iza no mahalala?
Fa mitomany i gasikara


Mitomany i gasikara
Nosy mamy tsy foiko
Izahay taranaka amam_para
No injao mitoloko
Iza no mahafantatra?
Fa i gasikara tonga lafatra


Mitomany i gasikara
Malahelo ny foko
Izahay izao no tsara
Dia noho ianao ry nosiko
Iza no mahasahy milaza?
Fa i gasikara manandanja

Mitomany i gasikara
Mampangina ny olony
Ireo vahoaka manan_tantara
Maty noho ny tolony
Iza no sahy mamboraka?
Fa i gasikara manana hatoraka



In maraina vao ho avy 27 mars 2015