Ento aho ravorona - RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Azo vakiana?
Ento aho ravorona hanaraka anao
Fa mafy ny fiainana an-tany
Mba raiso ho isan'ireo zanakao
Fa ny fiainana tsy ilaoza_tomany
Ento aho ravorona, ento hanidina
Hombay ambany elatrao manify
Iaraka isika, iaraka hisidina
Mbola lavitra ny lalana, ela vao ho dify
Ento aho ravorona mamiko indrindra
Mitamberina ny lasa rehetra
Lay olo_tiako lasa nifindra
Ny foko nitia toa nandroretra
11jolay 2010
Mombamomba
Mpanoratra : RAKOTOMALALA Mandimbison Fenoantra
Nampiditra : fenobe3Daty : 26/12/2016
Mpamangy : 858
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
RAHA MBOLA MISYHANORATRA AHOHanoratra
LIANTSOA Vehivavy iray t
SAKAIZAN'NY SEKOLY
MITOMANY I GASIKARA
FITIAVANA
FANDROSOANA
NY TOTOZY
Njely
ODY FITIA